4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1 . hay ve! - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho;

dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. »

(Matio 11:29)



--------------------------------------------------------------------



1. Hay ve! Tsy fantatro fa ho ahy

No nampidinan’ny Ray ny Zanany

Hitory ny Teny soa

Ho ahy malahelo

Tonga Izy ho Fiadanako  





2. Hay ve! Tsy fantatro fa ho ahy

No nampidinan’ny Ray ny Zanany

Hitory ny Teny soa

Ho ahy reraka

Tonga Izy hitsaharako





JESOSY O! AMPIANARO AHO

HANATONA ANAO, HIANATRA AMINAO

KA HALEMY FANAHY, TSY HIAVONA AM-PO

(MBA) HAHITA FITSAHARANA KOA NY FANAHIKO





3. Hay koa! Tsy fantatro fa ny otako

No nahafatesan’I Jesoa Sitraky ny Ray

Maty hisolo ny heloko

‘Zaho ‘zay very

Eny Izy no namonjy ahy





JESOSY O! AMPAHEREZO AHO

HANDAO ‘ZAY RATSY HATRIZAY

HANAO NY SITRAKAO

HANOHY NY ASANAO, HILAZA ILAY FITIA

K’IREO TOA AHY MBA HOVONJENA KOA







Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana

2003

Partager vol1 . hay ve!

Commenter vol1 . hay ve!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite